4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny fitiavako an'i mama - Erick Manana



Tena tsotra sady fohy

Ny hoe tia fa tsy voalaza

Teny kely fa mampaory

Rehefa tsy voaloaky ny vava

Ny fitiavana ilay Reny

Mbola hafa koa io ka hafa

Toa tsy akiteniteny

Nefa henoko mitafa



Tena marina....

Tena marina ee...



Ny fitiavako an’i Mama

Tsy mivaky fa mafonja

Tsara kotrika mafana

Am-poko ao izy manonja

Tsy mba mila orokoroka

Tsy mba mila safosafo

Fa fitia miray fototra

Mandra-maty tsy halazo



Ho ela velona oo....

Ho ela velona oo....

Partager ny fitiavako an'i mama

Commenter ny fitiavako an'i mama

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite